Na dia mbola tsy misy aza ny fanambarana ofisialy, fantatra izao fa voatendry ho mpanazatra ny ekipa nasionalin’ny Barea, vehivavy, mandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Futsal, izay hatao any Maroc, ny 22 hatramin’ny 30 avrily ho avy izao, i Mani¬tri¬niaina Steve Princy. Efa nanazatra ireo Malagasy mpilalao vehivavy moa ny Coach Princy. Efa nanomboka afakomaly ny fampivondronana ny ekipam-pirenena ary miisa 31 eo ireo vehivavy nantsoina handalo ny fifantenana ho an’izay handrafitra ny Barea, vehivavy.
Raha ny fanazavana azo, mpilalao 12 ihany no handeha any Maroc.
Mahakasika ny vondrona “C”, misy an’i Madagasikara indray, nilaza i Princy fa mafy avokoa ireo mpifanandrina amin’izy ireo. Anisan’izany i Sénégal izay efa nanomana hatry ny ela ary efa nanao lalao andrana tamin’i Maroc, firenena mpampiantrano ny fifanintsanana. Mahakasika ireo Malagasy mpilalao indray, ambony ny fanantenana ho an’ny mpanazatra.
«Manana mpilalao tsara kalitao ny Malagasy, saingy mila hamafisina hatrany ny fiarahana sy ny taktika entina mifanandrina amin’ireo firenenana hafa», hoy i Manitriniaina Steve Princy. Raha tsy misy ny fiovana, hanao lalao andrana ara-pirahalahiana ry zareo Barea, vehivavy, mialoha ny handehanana any Maroc. Hatreto, tsy mbola voafaritra mazava ny daty sy ny fotoana hiaingan’ny delegasionina ho any Maroc.
Fitia Randria




