Ambohidrapeto : Lehilahy nanambana basy voasambotra

Notanan’ny zandary ny lehilahy nahatrarana basy teny amin’ny fokontany Ambo­diampanga Antanetibe, Am­bo­hi­dra­peto, distrikan’Atsimondrano, ny 3 avrily tamin’ny 7 ora sy sasany hariva. Nitrangana fifamaliana teo amin’io lehilahy io sy ny olon-tsotra hafa. Tsy nijanona tamin’ny fanaovana vava sy fampitahorana izany. Nandra­hona hamoaka fitaovam-piadiana ilay lehilahy. Nam­banany tamin’ny basy tokoa ilay nifamaly taminy.
Tetsy ankilany, nampandre ara-potoana ny mpitandro filaminana miasa ao amin’ny tobim-paritra Itaosy ny lasibatry ny fandrahonana. Niga­dona minitra vitsy taorian’ny antso ny zandary. Tratra teo am-pihazonana basy P1A tokoa ilay voatondro. Tsy nisy bala io fitaovam-piadiana teny aminy io ka niroso tamin’ny fisavana ny trano fonenany ny zandary. Nentina natao famotorana izy.

Tsiferana R.

Partager sur: