Jiolahy mpampihorohoro: Lavon’ny balan’ny zandary i Sambitanae

Lavon’ny balan’ny zandary omaly tamin’ny 11 ora maraina ny jiolahy raindahiny antsoina hoe: Sambitanae. Anisan’ireo dahalo mpampihorohoro ny mponina any an-toerana izy io.
Nahazo antso avy tamin’ny ben’ny Tanàna tany Ankiririky ny Zandary, omaly tamin’ny 10 ora maraina. Fantatra fa mihaodihaody ao amin’ny fokontany Ankiririky III ity olon-dratsy ity. Miantso sy mandrahona olona amin’ny finday izy fa raha tsy mandefa vola an-tapitrisa aminy ilay olona dia hotafihiny sy hovonoiny. Ankoatra izay, malaza amin’ny fangalaran’omby ihany koa izy io. Nametraka vela-pandrika hisamborana azy avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny Poste fixe Ambohitoaka. Voasambotra izy ary niaiky ny heloka rehetra vitany hatramin’izay. Mbola nanoro ny toerana nihafenan’ireo dahalo namany tany Ampasanosy, fokontany Ma­so­an­trasy, kaominina Anki­ririky, ihany koa izy. Nan­dositra avokoa moa ireo dahalo namany ireo vao nahatazana ny mpitandro filaminana. Nanararaotra nandositra, nandritra izany, koa ity voasambotra ity. Nampitandrina ny hijanonan’ireto farany moa ny zandary fa nandositra hatrany izy ireo. Vokany, voatery nitifitra ny mpitandro filaminana ka lavo nandritra izany ity jiolahy raindahiny ity. Raha toa ka tafaporitsaka ny dahalo ambiny. Mangataka fifanomezan-tanana avy amin’ny vahoaka hatrany ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana, tarihin’ny kolonely Hajatiana Ralaikoto. Entanina ny vahoaka mba hanome vaovao ara-potoana ahafahana mikaroka sy misambotra ireo olon-dratsy. Antsoina kosa ny olon-dratsy mba hiova fo sy hitolo-batana fa tsy handositra.

Mino

Partager sur: