Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, tao Miandrivazo, ny fametrahana ny filohan’ny fitsarana any an-toerana, Randriamboavonjy Caëtha Zo Maharitra. Nofariparitany tamin’izany ny tetikasany. Nambarany fa hiezaka ny tenany hametraka fitsarana tsy mitanila sy mahaleo tena. “Hapetratsika koa ny fitsarana lavitry ny kolikoly ary fitsarana manakaiky vahoaka”, hoy izy. Nanteriny fa hatao vaindohandraharaha ny ady amin’ny kolikoly sy ny hametrahana ny torohay ara-pitsarana ary ny fanatsarana ny fandraisan’ olona. Hampihena ny tahotry ny olona manatona fitsarana sady hisorohana ny kolikoly ary hialana amin’ireo mpanelanelana izany, araka ny nambarany.
Ankoatra izay, nampanantena ny filohan’ny fitsarana ao Miandrivazo fa hirosoana ny fanaovana fitsarana mitety vohitra mba hanomezana didy misolo sora-pahaterahana. “Mbola maro ireo olona no tsy manana sora-pahaterahana na ho an’ny ankizy na ny olon-dehibe eto anivon’ny distrikan’i Miandrivazo”, hoy izy. Tafiditra amin’ny fametrahana ny fitsarana manakaiky vahoaka koa ny hanao varavarana misokatra indray mandeha isan-taona mba hampahafantarana misimisy kokoa ny fitsarana sy ny tontolony.
Notsiahiviny koa fa hotohizana ny ezaka fanafainganana ny raharaham-pitsarana, manaraka ny fenitra apetraky ny lalàna mba hanana didim-pitsarana marim-pototra. “Mba ho fitsarana tsy mitanila sy mahaleo tena ny eto amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Miandrivazo”, hoy ihany izy.
Synèse R.