Atleta feno! Io teny io no azo ilazana an-dRakotoniaina Aimé Mbolalalaina Joël, Malagasy atleta 28 taona, izay fantatry ny rehetra hoe Mbola. Taranja anisan’ny tena nahafantarana azy ny eo amin’ny tolona sy ny rugby. Araka ny fanadihadiana natao taminy omaly, teny Ankatso, efa nilalao tamin’ny taranja ara-panatanjahantena hafa ny tenany. Anisan’izany ny baolina kitra, basikety, judo, taekwondo.
Nilaza ny tenany fa tsy noterena izy nanao ireo rehetra ireo fa natao am-piniavana ary narahany fitiavana. “Rehefa fanatanjahantena dia nataoko avokoa, saingy misy ihany ny tena notiaviko sy noheveriko hoe nahatafita ahy saingy ny fotoana ihany no namaritra azy.” hoy i Mbolalalaina Joël. Efa faniriany hatry ny ela ny ho lasa mpilalao matihanina ary ny baolina kitra no tena nitokisany hahalasa lavitra azy saingy niova ihany izany noho ny zava-nisy nandalo teo amin’ny fiainany.
Fahatsiarovana tsara napetraky ny taranja baolina kitra ho azy ny nandrombahan’ny CEG Ambohimiandra ny fifaninanana baolina kitra isan-tsekoly “Copa Coca Cola”, ny taona 2010. Araka ny fitantarany, mora ho azy hatrany ny nilalao ity taranja ity satria mety aminy avokoa ny toerana nametrahana azy, na vodilaharana na afovoany na loha laharana. Naniry mafy moa i Mbola mba hiverenan’ny fifanintsanana isan-tsekoly tahaka ireny satria sady ampy tsara, hoy izy, ny fialamboly no afaka mivelatra tsara amin’ny sehatra tiany ny mpianatra. Notsiahiviny fa nisy tamin’ireo mpiara-mianatra taminy no nandeha nankany Angleterre nitsidika ny klioba Chelsea, ary nifankahita tamin-dry Didier Drogba, kalaza ivoarianina nilalao tao amin’ny Chelsea FC fahiny.
Ekipa nasionaly
Ny taona 2012 teo ny tenany no nitsahatra tsy nanao baolina kitra intsony ary nanamafy ny fahaizany tany anaty tolona ka avy hatrany dia lany tao anaty ekipa nasionaly, sokajy zandriny Cadet, ary niatrika ny lalao Top 14 tao anaty Rugby. Ary efa maro ny medaly norombahiny tao anaty tolona. Anisan’izany ny medaly volafotsy, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, Cadet, ny taona 2012, sy ny lalaon’ny Frankofonia ary ny lalaon’ny Nosy, ny taona 2023 lasa teo.
Araka ny heviny, tokony ho tsara noho izao ny fanatanjahantena eto Madagasikara saingy misy amin’ireo mpitantana no tsy manao fitantanana mahitsy sy mangarahara. Porofon’izany, hoy izy, ny resaka tambin-karama izay tsy mifanaraka amin’ny vokatra azon’ireo atleta.
Nametraka hafatra ho an’ireo tanora zandriny sy ny mpitantana moa ny tenany: ” Mahaiza mitondra tena, ary fadio ny zava-mahadomelina fa tsy misy tombontsoa hoentin’ io amin’ny fiainana. Ho an’ny atleta indray, tsy misy ny fahagagana amin’ny fanatanjahantena fa ny fanomanana sy ny fiomanana tsara ihany no fototra tsara ahazoana vokatra tsara, ary ataovy am-pitiavana ny zavatra rehetra dia tonga ho azy izay hirinao. Ho anareo mpitantana indray, ataovy tonga any amin’ireo ankizy izay tokony ho anjara ho azy fa ireo atleta ireo no mahatonga anareo ho toy izao. Aza fitahina sy handangaina izahay, fa ny marina ihany lazaina ary apetrao tsara ilay rafitra mazava. ”
Fantaro ary
Tsara ny mampahafantatra fa mpanazatra ao amin’ny AJS sekoly Rugby, eny Tsiadana, i Mbola ary milalao ao amin’ny 3FB Rugby sy manao ny taranja tolona ao amin’ny klioban’ny COSPN. Ny hafainganam-pandeha sy ny tanjaka ary ny vatana efa fonosana hozatra no mampiavaka an’i Mbola eny ambony kianja.