Nanapa-kevitra ny hametra-pialana ny filohan’ny Federation sport automobile de Madagascar (FSAM), rehefa tsy tazana nandritra ny taom-pilalaovana 2024. Nanipy ny fanohizana ny fitantanana any amin’ireo filohan’ny klioba izay nanangana ny rafitra tetezamita izy, mandra-pahatonga ny fifidianana vaovao.
Nampahafantarin’ny komity mpanatanteraka tetezamita ny mpanao gazety teny Marais Masay, ny zoma lasa teo, fa tsy nahatontosa hatramin’ny farany ny taom-piasany ny filohan’ny Federasionina sport automobile de Madagascar (FSAM), i Jimmy Rakotofiringa. Herintaona mialoha ny hahateparan’izany, nametra-pialana ny tenany, noho ny tsy fahafahany manohy izany andraikitra izany intsony. Nomeny ireo filohana klioba rehetra ny fanohizana ny fitantanana ity taranja mekanika ity. Efa tsy nanatrika ny fivoriamben’ny federasiona natao tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina rahateo ny tenany, ny 26 marsa lasa teo. Taorian’izay, nanangana rafitra tetezamita, hanohy ny asa rehetra ary hanapitra ny taom-piasana, ireo filohana ligy. Hitondra izany hatramin’ny 26 avrily 2026, Rakotobe Jeannot, raha Ramahandry Thierry no filoha lefitra ary Ranaivo Rindra ny sekretera jeneraly.
Notsiahivin-dRakotobe Jeannot fa tsy tazana mihitsy ny filohan’ny federasionina nandritra ny taom-pilalaovana 2024 ka nahatonga izao fanapahan-kevitra izao. Efa voapetraka any amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena ny taratasy manamarina ny fitsanganan’izy ireo. Angatahiny amin’ny filoha teo aloha kosa ny fanafainganana ny fifamindram-pahefana, hahazoana mikarakara ny fifandraisana iraisam-pirenena.
Voatazona avokoa ny fifaninanana rehetra ho an’ity taom-pilalaovana ity ka hanomboka izany ny Slalom karakarain’ny klioba TFM Rally, ny 26 sy 27 avrily ho avy izao. Nomarihin’ny mpitantana fa miray hina amin’ny zavatra tinapaka ny klioba rehetra hatrany amin’ny faritra.
Torcelin