« World Cola PFL »: Lavon’ny Fosa Juniors ny CFFA

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny andro fahasivin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “World Cola PFL “. Anisan’ny fifanandrinana tena nandrasan’ny maro tamin’ny omaly, teny Iavoloha, ny lalaon’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Fosa Juniors Boeny. Nison­gadina ny ekipan’ny Boeny tamin’izany, lavon’izy ireo tamin’ny isa 1 no ho 0 ny mpilalaon’Ando­haranofotsy. Raha hiverenana kely ny fifanandrinana, niady tanteraka ny lalao, nifandimbiasana ny fanafihana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Baolina tokana tafiditr’i Benny, mpilalao avy any Boeny, teo amin’ny minitra faha-43, no nitondra ny fandresena ho an’ny Fosa Juniors FC. Niezaka nanenjika ny isa ihany moa ny CFFA saingy teo amin’ny famaranana no indro kely ho azy ireo. Ankoatra izay, nisaraka ady sahala 1 no ho 1, ny fifanandrinan’ny Disciples Fc Vakinankaratra, tompondaka farany, sy ny Ajesaia Bongo­lava. Marihina fa mbola mitarika eo amin’ny laharana voalohany amin’ity fifanintsanana ity hatrany ny As Fana­lamanga, izay vao avy nanilika ny As Avenir Ste Anne, 2 no ho 0, tany Ambatondrazaka, omaly. Azo lazaina, araka izany, fa efa tafita any amin’ny dingana manaraka ny As Fana­lamanga.

Fitia Randria

Voka-dalao rehetra :

CFFA (0)-(1) Fosa Jr,
Elgeco plus (3)-(0) Tsaramandroso FC,
As Fanalamanga (2)-(0)As Avenir Ste Anne,
Disciples FC (1)-(1) Ajesaia,
Cosfa (2)-(0) FC Rouge,
Uscafoot (1) – (0) Mama FC

Partager sur: