Naiditra vonjimaika am-ponja any Ambalatavoahangy ireo olona dimy voarohirohy tamin’ny famonoana ilay tovolahy 21 taona (Sergino), maty niharan’ny fitsaram-bahoaka tany Toamasina, ny alarobia 2 avrily lasa teo. Eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana kosa ny telo mianadahy ambiny, anisan’izany ny sefo fokontany ao Mangarivotra Avaratra, Parcelle 11/14. Fantatra ireo taorian’ny fiakarana’izy ireo fampanoavana tany Toamasina. Omaly tamin’ny 6 ora hariva kosa vao nivoaka ny didy. Natolotra ny mpitsara mpanao fanadihadiana, omaly, ny olona valo. Ankizilahy tsy ampy taona ny iray tamin’ireo, tafiditra tao koa ny sefo fokontany. Raha ny fantatra, tovolahy mpianatra avy naka “sujet-type” amin’ny fanadinana Bakalorea hoavy izao izy io. Voatondro ho nanao sinto-mahery sy nandrahona olona tamin’ny antsy ary nandroba findain’olona. Tezitra, noho izany, ny mponina tany an-toerana ka nampihatra ny fitsaram-bahoaka taminy, ka nitarika tamin’ny fahafatesany. Nangataka ny hitondrana azy teny anivon’ny fokontany izy nandritra izany fa tsy nohenoin’ny olona. Tapitra teo anoloan’ny varavaran’ny fokontany tany an-toerana moa ny ainy.
Tamin’ny 6 ora hariva vao vita ny famotorana ka nivoahan’ny didy mampiditra am-ponja ireo olona dimy. Hisy ny fihaonana amin’ny fianakavian’ny maty amin’ny 15 mey ho avy izao.
Sajo/Mino