Nataon’ny mpitandro filaminana hazalambo, tanaty haizina, ny andian-dahalo mpaka an-keriny tao amin’ny fokontany Ambohitranivo, kaominina Brieville, distrikan’i Tsaratanàna, afakomaly alina tamin’ny 10 ora sy 45 minitra. Dahalo enin-dahy, nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika niditra an-keriny tamina tokantrano iray. Tsy nisy alaharo, nanambana basy ary naka ilay raim-pianakaviana 35 taona tao amin’io fokontany io izy ireo. Nentiny nandositra nianavatra ny takalonaina. “Fanarian-dia ny fokonolona fotsiny izany”, hoy ny fanazavan’ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Brieville. Mpitandro filaminana 15 lahy nanampy ny fokonolona nanenjika ireo mpaka an-keriny. Natahotra ho tratra nandritra ny fanenjehana, narian’ireo tsy mataho-tody tao avaratra atsinanan’ny fokontany Ambohimaranitra, kaominina Brieville, ilay raim-pianakaviana, tamin’ny 11 ora sy sasany alina. Natolotra ny fianakaviany avy hatrany io lehilahy avotry ny zandary io. Hanamafy ny fanaraha-maso ny manodidina sy fisafoana amin’ny alina ao anatin’ny kaominina Brieville sy ny manodidina ny zandary ahafahana mandrava ny asa ratsin’ireo olon-dratsy. Tsy fantatra ny atidoha tamin’ity fakana an-keriny tao an-toerana ity. Andalam-pikarohana ny tompon’antoka tamin’izany ny mpitandro filaminana. Manentana ny fokonolona hampihatra hatrany ny tagnamaron’ny fandriampahalemana hamongorona ny mpaka an-keriny izy ireo.
Tsiferana R.