Depiote maro anisa : “Takinay ny hanasaziana ireo mpanakorontana”

Hentitra ary nahitsy ireo depiote maro anisa eo anivon’ny Antenimierampirenena, mi­araka amin’ny birao maharitra manoloana ny tranga niseho tany Toliara, ny faran’ny he­ri­nandro teo. “Tsy azo ekena ny fanakorontanana ara-politika atao eto amin’ny firenena ka hialokalofana amin’ny filazana ho fiarovana ny vahoaka nefa fikasana ho amin’ny fanonganam-panjakana no ao ambadik’izany “, hoy izy ireo, tetsy Tsim­bazaza, omaly. Nanterin’ ireto depiote ireto fa manameloka ankitsirano ny fihoaram-pefy sy ny fandikana ny fitsipika anatin’ny Antenimiera ary ny fa­nitsakitsahana ny lalàna velona izy ireo. Takin’izy ireo ny hampiharana tsy misy fepetra ka hanasaziana ireo minia manao izany na mivantana na ankolaka. “Tsy misy ambonin’ny lalàna eto na inona na inona toerana misy azy na sata mifehy azy. Samy fehezin’ny lalàna ny rehetra manoloana iny toe-draharaha tany Toliary iny”, hoy ihany izy ireo. Notsindrin’ ireto depiote ireo fa famoriam-bahoaka tsy nahazoana alalana iny. Niampy ny fampiasana haino aman-jery sy tambajotran-tserasera handranitana sy hanaovana fi­hantsiana. Fam­piasana herisetra amin’ny mpitandro filaminana. Teo koa ny fandorana sy fanimbana fananan’olona tsy mitovy hevitra sy ny fanakorontanana ny filaminam-bahoaka… “Manana adi­dy izahay eo ani­von’ny birao ma­haritry ny Ante­nimi­eram­pirene­na sy ny depiote maro anisa hampahatsiahy ireo so­lomba­vambahoaka sy ny tomponandraikitra isan-tokony momba ny lalàna sy ny fitsipika anatin’ny Antenimi­eram­pire­nena”, hoy izy ireo.
Notsiahivin’ny fanambarana fa takina amin’ny depiote tsirairay ny mampahafantatra sy manao tatitra isaka ny vita ny fotoam-pivoriana any amin’ ny fari-piadidiana nahalany azy. Tsy azon’ny depiote atao anefa ny manao tatitra ivelan’ny faritra nahalany azy, araka ny nambaran’izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: