Randrianarivelo Hery Mamy Holin : Nataony ho fitadiavam-bola ny talentany

Asa iray hita eto Madagasikara sady betsaka mpanao ny fanetezam-bolo. Misy ireo nianatra izany fa eo koa ireo efa nahafehy izany tsy nisy fiofanana natao, anisan’izany Randrianarivelo Hery Mamy Holin, mpanety iray etsy Ambohijatovo.

Anisan’ireo mpanety volo etsy Ambohijatovo, manana ny traikefany, Randrianarivelo Hery Mamy Holin, lehilahy iray 55 taona. Araka ny fitantarany, omaly, teny an-toerana, talentany ny manety volo ary tsy nisy olona nampianatra azy tamin’izany fa nataony fotsiny ilay izy ary hainy hoazy avy eo. Araka ny fanazavana nataony, nanomboka ny taona 2005 teo izy no nanomboka ity asa ity ary roapolo taona aty aoriana, mbola manao izany ho fivelomana izy. Nampahatsiahiviny fa ni­varotra fitaovana fanetezam-bolo “tondeuse” tamin’ilay ha­vany no nahitany toerana iray teo Ambohijatovo, nahafahany miasa tahaka izao. “Tratran’ ilay tompon-tsena moa aho tamin’izay ka nilazany fa tokony tsy mbola hiasa raha tsy misy ny fifanarahana. Tao­rian’izay dia natao ny fifampiresahana teo amiko sy ilay tompon-toerana ary nandeha tsara ny asa”, hoy i Hery Mamy. Ny endri-bolo tsotra na ny “demi-coco” no mpanjifa voalohany nataony tamin’izany. Nambarany fa tsy mbola fantany io, saingy nezahiny ny hahafantatra izany, ary taorian’izay, niezaka nitrandraka ireo endri-bolo maro karazana misy ny tenany ary efa voafehiny izany ankehitriny. “So­mary nisy tahotra ihany aho tamin’izany saingy rehefa na­taoko ilay izy dia toy ny milalao izany aho manao ilay asa”, hoy ity lehilahy iray ity. Noha­mafisiny fa toy ny talenta nentim-paharazana ihany ity fanetezam-bolo ity, ny raibeny no nanana talenta tamin’izany, fahiny, ary ity farany ihany no manety ny volon-dry zareo tamin’izany fotoana.

Mahavelona tsara

Nomarihin’i Hery Mamy, omaly, fa azo atao tsara ny mivelona amin’ny asa fanetezana volo. “Ity asa ity no amelomako ny ankohonako hatramin’izay ary nahafahako nampita ny zanako rehetra”, hoy ny nambarany. Raha ny fa­nampim-panazavana nomeny, efa manana ny mari-pahaizana Bacc sy Master ny ankamaroan’ireo zanany. Misy aza no efa miasa eto an-tanindrazana sy any ivelany. Ampahafantarina ihany fa efa niasa tamin’ny sambo lehibe iray ity mpanety volo ity teo aloha, izany hoe, tantsambo. Najanona tamin’io asa io moa izy sy ny namany Malagasy mitovy aminy, tamin’izany, satria nitondra entana tsy ara-dalàna ilay sambo nampiasa azy ireo. Faniriany fony mbola kely ny ho lasa dokotera, ary nolazainy fa toy ny manao izany asa izany ihany ny tenany satria maro ireo olona no mirana sy mahatsiaro tena salama tsara rehefa miova tsara ny endriky ny volony.
Fialamboly

Ankoatra ny manety, manana fialamboly toy ny olona rehetra ihany koa i Hery Mamy. Anisan’izany ny mihaino hira, mijery horonantsary, mitsangantsangana miaraka amin’ny fianakaviana. Manao fanatanjahantena ihany koa ny tenany saingy tsy nifantohany be izany fa nataony ho fitaizam-batana fotsiny ihany. “Ny boxe thailandaise sy ny volley-ball no nataony. Nanome hafatra ho an’ny tanora moa ity lehilahy iray ity mba tsy hifidy asa ary manentana azy ireo hampiasa ny talenta hatao fitadiavam-bola ary tsy ho kivy amin’izay rehetra mitranga. Nohamafisiny hatrany fa tsy misy ny asa mahamenatra rehefa ataonao matotra tsara sy am-pitiavana tsara izany.

Nanatontosa : Fitia Randria

Partager sur: