Fahatongavan’ireo delegasionina vahiny: Nohatsaraina tanteraka Antananarivo Renivohitra

Mba tsy handalo fotsiny ihany. Manomboka hita taratra ny fiovan’ny eto Antananarivo Renivohitra tato ho ato. Handray ny fihaonana an-tampon’ny COI rahateo isika, tsy ho ela.

Herinandro vitsy izao no am-perinasa avokoa ireo sehatra samihafa isan’ambaratonga ary somebiseby amin’ny fanatsarana sy ny fanadiovana ny tanàna. Tafiditra amin’ny handraisana ny fihaonana an-tampon’ny COI hatao eto Antananarivo izany ka hahatongavan’ireo filoham-panjakana sy ireo delegasionina mafonja avy amin’ny firenena dimy, aty amin’ny ranomasimbe In­dianina.
Efa nialohavan’ny fanadiovana nataon’ireo minisitera samihafa izany ka nitsinjarana ny anjara asa amin’ireo toerana maro eto an-dRenivohitra, indrindra ireo toerana tena handalovan’ny vahiny. Nitohy amin’ny fanatsarana sy fa­nam­boaran-dalana maromaro. Anisany, ohatra, ny etsy Analakely sy ny eny An­korondrano ary koa ny eo amin’ny Araben’ny Fahaleovan­tena iny. Ny lalana avy eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato sy ny mihazo ny aty an-dRenivohitra ka hatreny By-Pass rehetra eny. Nove­lomina ireo loko fotsy amin’ny ankamaroan’ny lalana. Tahaka izany koa ny nandokoana ireo arkady rehetra etsy Analakely.
Fanadiovana ny tanàna ambony rehetra…

Etsy andaniny, anisan’ny hotsidihin’ireo vahiny koa ny tanàna avo, toy ny eny Andohalo sy ny Rova ary koa ny eny Andafiavaratra. Anisan’ny toerana hihaonan’ny filoha Rajoelina Andry sy ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron rahateo eny. Efa ao anatin’ny fanadiovana ireo tomponandraikitra amin’izao fotoana izao. Tahaka izany koa ny eny Anosy sy ny manodidina amin’ny fanatsarana ny toerana sy ny fefy amin’ny farihin’Anosy.
Midika izany fa manomboka miova endrika ny tanàna, andro vitsy mialoha ny fahatongavan’ireo vahiny eto Madagasikara.

Synèse R.

Partager sur: