Fanomezana fahafahana hizaha ny lafiny ara-pitaovana sy fiarovana mifandraika amin’ny fitsidihana ara-panjakana sy ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-panjakana, indrindra ny fandraisana fepetra fisorohana sy ny fitantanana ny fandraisana an-tanana izay trangan-javatra mety hiseho, raha ilaina. Izay ny fivoriana fandrindrana notarihin’ny minisitry ny Foloalindahy, ny jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, teny amin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Anosy, omaly. Niaraka taminy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika; ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny inspektera jeneralin’ny Polisy Rakotoarimanana Herilala. Teo ihany koa ireo tomponandraikitra voakasika mivantana amin’ny fanomanana ny fihaonana an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) sy ny fitsidihan’ny filoha frantsay. Misy ny fepetra maromaro apetraky ny fitondram-panjakana malagasy mba hisian’ny fitoniana amin’ireo hetsika iraisam-pirenena lehibe ireo. Tafiditra ao anatin’izany ny fifandaminana akaiky eo amin’ireo minisitera voakasika mba hiantohana ny fiarovana sy ny fisorohana ary ny fitantanana na fandraisana an-tanana izay mety tranga-javatra.
Voalaza fa tsy fanazaran-tena amin’ny fandaminana fotsiny ny dingana fanomanana, fa hetsika efa natomboka tanteraka. Naneho ny maha zava-dehibe ny fampandehanana ny hetsika sy ny fiarovana ny mpandray anjara rehetra eto amin’ny firenena na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ireo minisitra. Mamerina ny fahavononany hanao ireo fivoriana ireo ho fiaraha-miasa mahomby sy fanamafisana ny fifamatorana isam-paritra ao anatin’ny tontolo milamina sy azo antoka ny fanjakana malagasy.
R. Nd.