FANTINA sy FINTINA

Nohitsin’ny depiote Gascar Fenosoa fa miharihary loatra ny mizana tsindrian’ila amin’ny fanomezana fahazoan-dalana hamory vahoaka. Nanteriny koa fa tsy mipetraka ny tsy tokony hiandanian’ny mpitandro filaminana, OMC. “Aleo hitovy ny fampiharana ny lalàna ho an’ny rehetra ary tsy tokony hatahotra fanehoan-kevitra tsy mitovy ny mpitondra”, hoy izy.

Niompana amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana ny fonja, indrindra fa ho an’ny mpiara-miasa eny ifotony, ny dinika nentin’ny solontenan’ny Sendikan’ny mpandraharahan’ny fonja (Spapm), Rasamoelina Roger. Nihaona tamin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravohitra, izy, omaly.

Nitsidika ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, afakomaly, ny masoivoho Koreanina tatsimo, Park Ji-Hyun. Voaresaka, tamin’izany, ny hivahinianan’ny filohan’ny Antenimierampirenena any Korea Atsimo ato ho ato. Eo koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta.

Voatendry ho lehiben’ny polisy monisipaly ny kaomisera Rakotondrainivonona Panoel Tsiky Notanterahina ny sabotsy teo, tetsy Analakely, ny famindram-pahefana. Nisaoran’ny ben’ny Tanàna kosa ny kaomisera Ostrom Whenns, nisahana izany teo aloha, noho ny asa vitany sy ny fahafoizan-tenany ho an’ny tanànan’ Antananarivo.

Partager sur: