Hotanterahina etsy amin’ ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny 2 – 4 mey ho avy izao, ny fampiofanana tarihin’ny Grand Master Paul McPhail, eto amin’ny kaontinanta Afrika. Araka ny vaovao voaray, omaly, eo anivon’ny kaomisionina ny taranja taekwondo ITF malagasy, ho avy hanatrika io fiofanana io ihany koa i Mark Trotter, ilay Neo-zelandey, tompondaka maneran-tany amin’ity taranja ity. Araka izany, hanana ny lanjany tanteraka ity fiofanana ity satria ny olona efa sangany tahaka an’i Mark Trotter aza dia miatrika izany. Ankoatra izay, mbola miandry ny Malagasy ihany koa ny fifanintsanana any Croatie. Hatreto mbola baraingo ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara, ka miantso ny fanjakana izy ireo hanohana ny kaomisionina mba hahafahan’izy ireo mandefa ny atleta hiaro ny voninahi-pirenena. Marihina fa ny Kaomisionina malagasin’ny TKD ITF, hikarakara ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, amin’ity taona ity. Izany no atao dia mba hahafahana mitily ireo izay handrafitra ny ekipam-pirenena, hanao ny fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny taona manaraka. Tontosa teny amin’ireo faritra telo Analamanga, Atsinanana, Alaotra Mangoro, ny fitsapana amin’ny fiakarana ambaratonga amin’ity taranja ity. Tanjona ny hanana atleta avo lenta sy ampy traikefa amin’ity taranja ity.
Fitia Randria