Minisitra Mara Volamiranty Donna: “Tsy azo ekena ny fanakorontanana…”

Nitondra fanazavana ny tranga niseho tany Toliara, ny faran’ny herinandro teo, ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volami­ranty Donna.
Notsiahiviny fa misy olona any amin’ny faritra Atsimo mivoy fanakorontanana. Hen­titra sy nahitsy ity mpitondra tenin’ny governemanta ity tamin’izany. “Efa mijoro miatrika ny hoaviny ny vahoaka malagasy ka tsy manaiky zarazaraina intsony”, hoy izy. Nanteriny fa misy ireo olom-bitsy mikasa hanakorontana sy hampizarazara eto amin’ny firenena. Anisan’izany ny niseho any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy iny. Tsy nahomby anefa izany, araka ny nambarany. Nanteriny fa mametraka fitoniana ny fitondram-panjakana amin’izao fiomanana amin’ny handraisana ny fihaonana an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) izao. Nijery ny fizotry ny fanomanana sy ny fikarakarana ny teny amin’ny Lapan’Andafiavaratra ny minisitra tamin’izao fanehoan-keviny izao.
Nanamafy izany ny Prefet an’Antananarivo, ny Jly Ravelonarivo Angelo, fa “manan-kery foana ny fangatahana alalana rehefa hanao hetsika. Vao mainka mampitombo ny sazy miantefa
amin’ireo manao izany raha misy ny fanakorontanana mandritra ny fotoanan’ny fivoriamben’ny COI”. Nanteriny fa hohamafisina ihany koa ny fisavana sy ny fisafoana ny amin’ny mety ho fanendahana ireo vahiny.

Synèse R.

Partager sur: