Nitondra ny heviny manoloana ireo hetsika niseho tato ho ato ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Anisan’izany ny tany Toliara, farany teo. “Niaraka tsy hita tamin’ilay kianjan’ny demokrasia ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fiarovana ny tanindrazana eto amintsika”, hoy izy.
Noresahiny koa anefa ny momba ny fifanakalozana ara-barotra amin’ny Amerikanina. Nanteriny fa anisan’ireo firenena matanjaka ara-toekarena i Etazonia kanefa mbola miaro ny orinasany hatrany. Nametra-panontaniana ny filoha nasionalin’ny MMM, manoloana izany.
“Aiza ho aiza isika amin’ity fanafarana lava sy fanenjehana ireo mpandraharaha matihanina tonga hanorina sy hamokatra ary hamorona asa eto amintsika ity?” hoy izy.
Notsindriny fa efa nampoizina ny hampiakaran’ny filoha Donald Trump ho 47 % ny haban-tseranana aloantsika Malagasy manomboka izao. Tsy maintsy hisy fiantraikany amin’ny toekaren’i Madagasikara izany. Tsy afa-bela amin’izany ny eo amin’ny tontolon’ny orinasa mpanondrana, araka ny nambarany.
Nohamafisiny fa tsy mbola naheno ny tena paikady mazava entina hiatrika izany avy amin’ny fitondram-panjakana ny tenany.
Synèse R.




