Nigadona teny Ivato, omaly, ny iraka manokan’ny sekretera jeneralin’ny ONU, i Jean Todt. Hanao fitsidihana momba ny fiahiana sy fisorohana ny loza eny an-dalana “Sécurité routière”. Hanatrika sy hizara ny traikefany momba izany izy mandritra ny fanombohana ny fanentanana ho fisorohana ny loza eny an-dalambe, hatao etsy Anosy, ny zoma izao. Tanjon’ity iraka ataon’ny ONU ity ny hanapariahana sy hampifantoka kokoa ny “sécurité routière” hatrany amin’ny faritany sy manerana izao tontolo izao. Akon’ilay kaoferansa minisiterialy maneran-tany momba ny fiarovana ny lalana natao tany Marakech, Maraoka, ny volana febroary lasa teo, izany. Eo koa ny tatitra maneran-tany momba ny fiarovana ny lalana, ny taona 2023.
Hiara-mijery koa anefa ny fiaraha-miasa amin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro.
Synèse R.