Fivorian’ny COI : Manentana ny mpanao gazety ny MSK

Nambaran’ny talen’ny Serasera eo anivon’ny minisiteran’ ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK), Rasaony Pascal, fa hanana ny adidiny amin’ny fampitam-baovao ireo mpampahalala vaovao amin’ny fandraisana ny fivorian’ny COI eto Antananarivo. Nentaniny ny mpanao gazety mba hametraka dieny izao ny fangatahana fahazoan-dalana handrakotra ny fikaroham-baovao amin’izany. “Afaka mandefa fangatahana ho an’olona telo isaky ny orinasa fampahalalam-baovao ireo mpanao gazety mba tsy hahatompon-trano mihono ny vahoaka malagasy mandritra an’io fihaonana an-tampony io”, hoy izy. Niantso ny rehetra koa ny tenany mba haneho ny maha iray ny Malagasy ka hitandro hatrany ny voninahi-pirenena. Ny tsy fitovian-kevitra ara-politika azo tohizana ihany aorian’ny fihaonana, araka ny nambarany. “Aoka harovana miaraka ny voninahi-pirenena sy ny fiandrianam-pirenentsika”, hoy izy.
Momba ireo fotodrafitrasa kosa, nambarany fa afaka hisitraka sy hampiasa izany ny mponina satria hitoetra izany aorian’ny fivoriana.

Synèse R.

Partager sur: