Nanomboka ny fanamboaran-dalana ao Ampahimanga-Manalalondo. Anisan’ny tena ratsy ny 4km amin’ny 30km mampitohy an’Ampahimanga – Amboanana, ka nambaran’ny filohan’ny ONG 2AH, Andriamihaja Andriatsimiandriambony Iadjah, fa hitadiavana fiaraha-miasa amin’ny faritra Itasy izany amin’ny fampiasana “Engin”. Na izany aza, hatao « piste » na lalantany mifanaraka amin’ny toe-tany ny fanamboarana ny lalana ka vinaniana haharitra 150 andro ny asa tanamaro ataon’ireo fokonolona. Manohana ireo fokonolona eo amin’ny vola sy fitaovana ity fikambanana ity. Eo koa anefa ny fampianarana ny teknika fanamboarana ny lalana mba hampateza izany na mandalo vanim-potoana fahavaratra aza. Miisa 250 ireo olona hahetsika mandritra ny 150 andro ka hihodina ny fandraisan’anjaran’ny tsirairay. Nomena ireo fianakaviana miisa 300, omaly, koa ny PPN, nampanantenaina azy ary ny fampisakafoana olona 250 hafa tany amin’ny kaominina Amboanana. “Tanjona ny hitaizana ny olona hahay hifanampy sy iray hina amin’ny fiainana fa indrindra hanohanana azy ireo hanatratra ny fanamboarana ny lalana hatramin’ny farany”, hoy hatrany ny filohan’ny ONG 2AH.
Synèse R.