Nahitana razana iray natsingevan’ny ranon’Ikopa teny Anosizato, omaly maraina. Lehilahy manodidina ny 30 taona mahery eo io hita faty io. Nahita io razana io ny olona iray nanasa lamba teny an-toerana ka niantso ny tomponandraikitra avy hatrany. Tonga teny an-toerana ny polisim-pirenena avy eny 67 Ha nijery ny zava-misy. Tonga teny an-toerana naka ny razana kosa ny avy amin’ny BMH sy ny vondron’ny mpamonjy voina. Tsy mbola fantatra mazava ny antony nahatonga ny fahafatesan’io lehilahy io. Fantatra fa lehilahy iray monina sy mipetraka eny Anosizato Atsinanana izy io, raha ny fanadihadiana nataon’ny tomponandraikitra.
Nahitana faty koa teny Marais Masay
Ankoatra izay, nahitana faty nantsingevan’ny rano ihany koa tetsy Marais Masay, ny alarobia 9 avrily teo. Nosaritin’ny sampana mpamonjy voina tao anaty rano io fatin-dehilahy io. Nanao fisafoana efa fanaony teny amin’io toerana io ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina. Tsikaritry ny olon-tsotra fa nisy olona nihohoka efa tsy nihetsika intsony natsingevan’ny rano, tamin’ny 11 ora atoandro. Nanao ny asany avy hatrany naka io vatana mangatsiaka io ny mpamonjy voina teny an-toerana. “Mijanona isan’andro, manara-maso ireo mpaka trondro eny amin’io toerana io miaraka amin’ny mpitandro filaminana izahay mpamonjy voina”, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina.
Nampakarina an-tanety ilay lehilahy. Nanao ny fizahana ny nofo mangatsiakany ny mpitsabo avy eo anivon’ny mpiasan’ny fahasalamana (BMH). Tsy voafaritra mazava ny antony nahafaty io olona io. Tsy nahitana ratra rahateo ny vatany. Tsy mponina eo amin’ny manodidina koa izy. Nentina namonjy ny hopitaly HJRA Ampefiloha ilay namoy ny ainy.
Tsiferana R/ Mino