SOMBIM-BAOVAO

Araka ny fikarohana natao tao anaty tambajotran-tserasera, fantatra fa hotanterahina ny alahady ho avy izao ny fihodinana faharoan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Yas Coupe Madagascar ». Lalao toy ny famaranana kely amin’izany ny fifanandrinan’ny Toulon FA sy ny US Pro.
Mampiofana sy manatanteraka ny asany eto Madagasikara amin’ny fampiofanana hahazoana ny mari-pahaizana Licence C Caf, i Mohames Magassouba, efa matihanina amin’ny resaka teknika avy amin’ny Fifa. Maharitra hatramin’ny 13 avrily eo ny fampiofa­nana ataony eto an-toerana.
Efa manoman-tena mafy i Paul Pogba, fran­tsay mpilalao baolina kitra, araka ny fikarohana natao. Nilaza ity mpilalao ity fa efa maro ireo klioba nandefa tolotra ho azy saingy mbola eo am-pandinihana tsara ny tenany amin’izao fotoana izao. Ampahatsiahivina ihany fa i Pogba, nosazian’ny Federasionina italianina ho nihinana fanafody mampatanjaka saingy nolavin’ny TAS izany, ary afaka madiodio i Pogba ankehitriny.
Nifarana afakomaly alina ny lalao ampahefa-dalana mandroson’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra, “Ligue des Champions 2025”. Araka ny vokatra hita, azo lazaina fa efa tafita ny klioban’ny Arsenal Angleterre, ny FC Barcelone Espagne, ny Paris Saint Germain France, ary ny Inter de Milan Italie. Tsiahivina fa hatao ny talata sy ny alarobia ho avy izao ny fifanandrinana miverina.

Partager sur: