Filoha Rajoelina Andry : “Zava-dehibe ny fampivoarana ny sosialy sy toekarena”

Niara-nidinika tamin’ny eo anivon’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), ny filohan’ny Repoblika. Anisan’ny niompanan’ny fifanakalozan-kevitra ny momba ny sosialy sy ny toekarena.

«Zava-dehibe ny dinikasa manoloana ny firosoan’ny ezaky ny governemanta malagasy amin’ny fanavaozana marolafy ho amin’ny fampivoarana ny sosialy, indrindra ny toekarena». Io no anisan’ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny dinikasa faharoa niarahana tamin’ny iraky ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), notarahin’i Constant Lonkeng Ngouana, teny Ia­vo­loha, omaly. Voadinika ny momba ny famoaham-bola Facilité élargie de credit (Fec) sy ny Facilité pour la résilience et la durabilité (FRD). Nanka­toavin’ny FMI tamin’ny jona 2024 izany, nahazoana vola 663 tapitrisa dolara. Anaovana tombana ny ezaka efa vita ny dinikasa. Eo koa ny firosoan’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana ireo fepetran’ny FMI amin’ny hahazoana ny ampaham-bola faharoa.

Famahana ny olan’ny Jirama
Ny fampandrosoana tian’i Madagasikara hotanterahina amin’izao fe-potom-piasana faharoa izao, araka ny fanazavan’ny filoha: fanovana an’i Madagasikara amin’ny famokarana. Eo koa ny famahana ny olan’ny Jirama. Misy ny fanampiana ny orinasa 150 tapitrisa hatramin’ny 250 tapitrisa dolara isan-taona. Mbola lafo ny famokarana herinaratra eto Madagasikara: 20 hatramin’ny 30 cents dolara, nefa eo amin’ny 10 ka hatramin’ny 15 cents no hamarotana azy amin’ny mponina. Ny fanjakana no mameno ny banga. Izay no hanafaingana ny famokarana angovo azo havaozina.
Tsy ny tetikasan’ny FMI no tohanana ara-bola, fa ireo tetikasa laharam-pahamehan’ny fanjakana malagasy, araka ny nambaran’i Constant Lonkeng Ngouana. Anisan’ny nanatrika ny dinika, ohatra, ny Prai­minisitra Ntsay Christian, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, ny minisitry ny Angovo. Teo koa ny solontenan’ny FMI eto Madaga­sikara, Eklou Kodjovi…

R. Nd.

Partager sur: