FANTINA sy FINTINA

Voatendrin’ny filankevitry ny ministra ho filohan’ny “Comité pour la sauvegarde de l’intégrite-CSI”, Andriamifidy Jean Louis. Efa tale jeneralin’ny Bianco ny tenany. Efa nisahana ny “Conseil consultatif de l’Union africaine sur la corruption – CCUAC” aty Afrika ary tale kabinetran’ny Ceni koa.

Mikasa ny hitsidika eto Madagasikara ny filohan’ny Repoblika slovène, Natasa Pirc Musar. Nihaona mialoha ho fanomanana izany ny delegasionina slovène sy ny tomponandraikitry ny arofenitra eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, ny Primatiora ary ny avy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny.

Naneho fiaraha-miory amin’ny fianakavian’ny depiote teo aloha, Randriamamonjy Frederic, ny filohan’ny Antenimierampirenena, ny birao maharitra, ny solombavambahoaka ary ny mpiara-miasa rehetra eny Tsimbazaza. Tsiahivina fa depiote voafidy teto Antananarivo Renivohitra ny taona 1993 hatramin’ny 1998 ny tenany.

Niroso tamin’ny fanadiovana faobe ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Fitsarana, omaly. Nanomboka tamin’ny 6 ora sy sasany maraina izany. Anisan’ny nodiovina ny teny amin’ny faritry ny Pergola Antaninarenina sy ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa ary ny eny Ambatonakanga. Nitarika izany ny minisitra Rakotomandimby Benjamin Alexis.

Partager sur: