Teknolojia Async: Hanamora ny fitantanana orinasa

Nampahafantarina, teny Ivandry, afakomaly, ny « Asyn­chrone – Async », iarahana amin’ny “Bureau international de consultation en informatique-Bici”. Fampiarahana ny “Intelli­gence artificielle – IA” hiasa anatin’ny antontan-kevitra sy antontam-baovao na «Système d’information » iasan’ny orinasa izy io. Hanamora ny fitantanana orinasa ny fampiara­hana izany mba hiasa miaraka amin’ny fikirakirana ara-bola, antontanisa, antontan-kevitra, faktiora. “Manampy sy manamora ary manafaingana ny fomba fitantanana sy fomba fiasa izany”, hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Bici, Raza­finjoelina Tahina. Nampanantena ny tenany fa tsy misy ahina ny fiarovana ny antontan-kevitra « sécurisation des données ».
Nanteriny fa tsy mila « serveur » mavesatra be ny « Async ». Mahaleo tena 100% amin’ny alalan’ny angovo avy amin’ny masoandro ny fampihodinana azy.
Ankoatra izany, hivelatra sy hitondra ny traikefany ho an’ny orinasa malagasy eo amin’ny fampiroboroboana ny toekarana izany. “Tsy mbola nisy nahavita ohatr’izao fa isika no voalohany nanao izany hoe ny Intelligence artificielle ampiarahana amin’ny Système mahazatra izany”, hoy ihany izy. Notsindriny fa fotoana izao hanehoana amin’izao tontolo izao, manoloana ny IA fa mahavita koa ny Malagasy.
Tsiahivina fa efa nitondra fahaiza-manao tamin’ny orinasa maro, toy ny Banky MCB Maurice, Mercedes, Wolkswagen, McDonald’s, Burger king, ny ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina sy ny CNaPS ny eo anivon’ny Bici, tantanin-dRaza­finjoelina Tahina.

Synèse R.

Partager sur: