Kiraro sy tenisy lamaody: Ny vehivavy no tena mpanjifa

Singa iray ao anatin’ ny lamaody ny resaka kiraro, ny tenisy, amin’izao fotoana izao. Mate­tika betsaka izy ireny eny rehetra eny. Nisy ny fana-dihadiana natao tamin’ny mpivarotra kiraro iray eny Analakely, izay nisafidy ny tsy ho alaina sary.

Nilaza i Nary, mpivarotra kiraro lamaody iray eny Analakely, fa ny vehi­vavy no tena betsaka mividy entana eo aminy. Raha ny fanazavany ihany, maro ireo vehivavy manao varotra an-tserasera, izany hoe, maka entana dia mivarotra sy maka tombony any amin’ny toerana ivarotany.
Nambaran’ity mpivarotra ity ihany fa rehefa mandeha tsara ny resaka sy ny fiaraha-miasa, tsy misy ny olana amin’ ny varotra an-tserasera toy ireny. Ankoatra ireo zatovovavy manao varotra any an-kafa, ahitana renim-pianakaviana ihany koa eny an-tsena. “Misy ihany koa ireo renim-pianakaviana mijery ny kiraro mety amin’ny zanany na ho an’ny vadiny ary amin’ny maha vehivavy azy moa, tsy maintsy ataony ny mahatsara ny ankohonany”, hoy i Nary.
Amin’ny maha tsena azy ihany, misy ihany ireo lehilahy sy zatovolahy mividy entana eo amin-dry zareo. “Ireo lehilahy mbola ao anatin’ny hatanorana no tena manjifa eto, saingy ankavitsiana ihany ny faha­tongavan’izy ireo eto noho izy ireo mbola mianatra”, hoy hatrany ity lehilahy mpivarotra kiraro ity.

Krismasy vao misy tsena

Ny volana desambra amin’ ny andron’ny Krismasy no tena ahitana olona manjifa akanjo sy kiraro. “Rehefa Krismasy ihany no tena ahitana hoe mandeha ny tsena, fa ny an­koatra izay, tsy dia ahitana olona mividy kiraro izany”, raha ny tenin’i Nary. Nohama­fisiny hatrany fa indraindray aza tsy maharaka ny fanga­lana ny entana ary tena ady sisika ny olona miantsena eny Analakely rehefa fetin’ny Kris-masy.

Miankina amin’ny kalitao

Matetika lafo sy tsy dia takatry ny maro ny vidin’ireo kiraro tena tsara kalitao. Saingy, miezaka ihany izahay mitady ilay en­tana tsara sy mety amin’ny rehetra. “Misy amin’ireo mpanjifa no matetika tezitra rehefa maheno ny vidin’ilay kiraro, ka lasa mandeha any amin’ny hafa nefa somary lafo ny tenisy amin’izao. Ireo tenisy mitondra ny marika Air Jordan sy ny Nike TN ary ny Air force no tena mandeha”, raha ny filazan’i Nary.

Mahavelona
Araka ny fanadihadiana natao, efa manambady i Nary ary manan-janaka telo mianadahy. Raha ny fanazavana nomeny, mahavelona tsara ihany ny asa toy izao saingy ankehitriny somary sarotra ny mahita tombony no ho ny teo aloha, efa be­tsaka ny mpivarotra kiraro amin’izao fotoana. “Tsy omena tsiny izy ireny, efa sarotra tanteraka ny fiainana, ka tsy afaka hana­kana ny olona tsy hitady vola ny tenako”.
Nanentana ny tanora hiezaka sy hanao izay fomba tsara rehetra ahazoana vola moa i Nary, ary nanamafy fa tsy tokony hipetraka fotsiny ny tanora fa ilaina ny mitady asa sy ny manampy ny ray aman-dreny.

Fitia Randria

Partager sur: