Namoy ny ainy taorian’ny fifandonana tamin’ny dahalo ny iray tamin’ny fokonolona ary naratra voan’ny bala ny zandary iray tao amin’ny kaominina Beraketa, distrikan’i Bekily, omaly maraina. Nanafika tao amin’ny tanànan’i Benato ny andian-dahalo nitam-piadiana. Nanidy ny kizo avy hatrany ny zandary nampian’ny fokonolona tao amin’ny kizo Ampasimaiky. Nifanehatra tamin’ireo dahalo izy ireo, omaly tamin’ny 3 ora maraina. Nirefodrefotra ny basy, nifamaly tifitra ireo malaso sy ny zandary. Nitora-bato koa, ny fokonolona. Voan’ny bala tampoka nefa ny iray tamin’ity farany. Naratra mafy ka nitarika tamin’ny famoizany aina izany. Nitohy ny fifandonana ka voakasiky ny bala teo amin’ny tanany havanana sy feny havia ny zandary iray. Miasa eo anivon’ny tobim-paritra Beraketa io lasibatra io. Notsaboina eny anivon’ny hopitaly ao Ambovombe io zandary naratra io. Tsy misy atahorana ny ainy, araka ny loharanom-baovao. Nisy tamin’ireo dahalo no maty voatifitra saingy nentin’ny namany nandositra ny fatiny. Manatontosa fanadihadiana momba ity tranga ity ny kaomandin’ny zandarimaria ao amin’ny vondron-tobim-pileovana Androy.
Tsiferana R.