« Revy Mahaleo sy ny namany »; Hanjaka indray ny vazo an-gitara

«Alefaso ry akama a !», hoy ny fanentanan’i Dama. Mahakasika ilay «Revy Mahaleo sy ny namany», fampisehoana hanjakan’ny vazo an-gitara sy ny vokatry ny tany, hotontosaina ny alatsinain’ny Paka 21 avrily izao io, manomboka amin’ny 2 ora etsy Antsahamanitra. Araka ny anarany, hibahan-toerana ny hiran’ny tarika Mahaleo mandritra izany. Mbola eo rahateo i Dama sy i Bekoto hitarika ny orikesitra. Ma­notrona eo hatrany koa ireo Mahaleo taranaka, izay vato namelan-kafatra, kasain’izy mirahalahy ray aman-dreny hanohy sy hamelo-maso ny Mahaleo…
“Marina fa manana ny taranany ny tarika Mahaleo, saingy manana namana ihany koa izahay”, hoy i Dama. Mazava loatra fa akaiky kely indrindra amin’izany ry zalahy Lôlô sy ny tariny. Samy nitrandraka ny vazo an-gitara, ny folk song nolaroina ny vokatry ny tany, sns. Samy manana ny hanitra ho azy koa anefa, na dia iray teny foana aza ireo mpankafy. Mbola manohy izay “Revy Lôlô sy ny tariny” izay eto amin’ny tanàna i Benny sy i Bebey, hany mpikambana monina eto Madagasikara. Manampy azy mirahalahy eo amin’ny gitara i Nini Kôlibera, namana efa ela.
Taty aoriana kelin’ny Ma­haleo sy ny Lôlô sy ny tariny, nanara-dia azy ireo koa ny tarika Tsiakoraka. Tsy niala tamin’ny vazo an-gitara, na naka ny loko country aza ny hira sasany. Nipetraka vetivety ihany koa ny hiran-dry Setra sy ny tariny tamin’izany, ary mbola tohizan-dry Fidy hatramin’izao.
Ireo ny toko telo hanamasaka ny nahandro, ary efa fotoana elaela no niatrika famerenana izy ireo. Efa nahita fofony ireo mpankafy, nanaovan-dry zalahy ny “Na­mana”, hiran’i Tsiakoraka. Ny ambiny any Antsahamanitra.

 

Zo ny Aina

Partager sur: