Hotanterahina anio sy rahampitso indray ny andro fahafolon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “World Cola PFL”. Anisan’ny fifanandrinana azo heverina fa andrasan’ny maro amin’izany, ny fihaonan’ny Fosa Juniors Boeny, sy ny Ajesaia Bongolava. Lalao izay hatao any amin’ny Kianja Rabemananjara Mahajanga, rahampitso.
Tsiahivina fa eo amin’ny laharana faharoa, manana isa 17, ny Fosa Juniors Boeny, ary laharana fahenina ny Ajesaia, isa 14. Tsara ny mampahafantatra fa mbola manana lalao iray tsy natao ny Fosa Jr. Ny klioba avy atsy Boeny kosa avy nandresy ny CFFA Andoharanofotsy, tamin’ny isa 1 no ho 0, teo amin’ny andro fahasivy, raha toa ka nanao ady sahala 1 no ho 1, tamin’ny Disciples FC, tompondaka faran’ny PFL.
Ankoatra izay, efa azo lazaina fa efa tafita any amin’ny dingana manaraka na ny “Playoff” ny AS Fanalamanga, ny Fosa Junior, ny Elgeco Plus, ny Disciples FC, ny Ajesaia, ny CFFA Andoharanofotsy. Marihina fa ity fifaninanam-pirenena ity dia natao hanomezan-danja ny fifaninanana “Chan 2024”, hatao any Kenya, Tanzanie, Ouganda.
Fitia Randria
Ireo fandaharan-dalao rehetra anio sy rahampitso:
Sabotsy 12/04/2025
Kianja Rabemananjara Mahajanga:
2 ora sy sasany : Tsaramandros FC vs Cosfa
Kianja Ambatondrazaka:
2 ora sy sasany : AS Fanalamanga vs FC Rouge
Kianja Elgeco Plus By-pass:
Elgeco Plus vs Uscafoot
Alahady 13/04/2025
Kianja Rabemananjara Mahajanga :
2 ora sy sasany : Fosa Juniors vs Ajesaia
Kianja CFFA Iavoloha :
12 ora : Disciples FC vs AS Avenir Ste Anne
2 ora sy sasany : CFFA vs Mama FC