Voasambotry ny polisim-pirenena noho ny raharaha fitazomana vola sandoka ny lehilahy iray tany amin’ny distrikan’ Ambatoboeny. Voarohirohy sy tratra nitazona vola sandoka mitentina 3 100 000 Ariary izy io. Vola 20 000 Ariary miisa 155 ireo vola ireo. Naharay antso avy amin’ny olon-tsotra ny mpitandro filaminana fa misy olona mitondra vola sandoka mandehandeha any an-toerana, nanomboka tamin’ny alatsinainy faha-3 avrily 2025 lasa teo. Nanomboka teo ny fikarohana sy ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana. Vokany, voasambotra io lehilahy io. Hita tany aminy avokoa ireo vola sandoka rehetra ireo taorian’ny fisavana natao taminy. Nihaiky heloka izy io fa nitazona ireo vola sandoka ireo nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy taminy. Voalaza fa karama azony tamin’ny mpampiasa azy ireo vola azony ireo.
Mino