Praiminisitra Ntsay Christian : “Resy lahatra amin’ny Base Toliara ny rehetra”

“Na ny mpanohitra na ny fitondram-panjakana ary ireo raiamandreny rehetra, samy resy lahatra amin’izao fotoana izao. Hiroso sy handray an-tanana ary hijoro hiaro ny tetikasa”. Io ny fanazavan’ny Praiminisitra Ntsay Christian ny amin’ny fivorian’ny OMC Nat notarihiny tany Toliara, ny faran’ny herinandro teo, ni­fampidinihana momba ny tetikasa Base Toliara niaraka ta­min’ny minisitra 11, ny olobe, ny antoko politika, ny solontenan’ny olom-boafidy… Misy ny fanatsarana ny fandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny rehetra. Eo ny fahavononan’ny Base Toliara hiara-miasa amin’ny sehatra rehetra, nijerena izay mbola mety ho olana madinidinika sy ny famahana izany. Izay fahavononana izay no ahitana sahady fa hahomby ny tetikasa.
Nisaorany ireo raiamandreny rehetra any an-toerana. Tao ny mankasitraka, tao koa ny tsy mankasitraka. Rehefa nifanazavana sy nifampidinihana, samy mahatsapa ny rehetra fa izay ihany no ahazoana manomboka ny tena fampandrosoana. Fampirobo­ro­boana ny indostrian’ny harena an-kibon’ny tany any an-toerana izany. Izay no tsy maintsy hanaraha-maso ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny fivoriana. Mba tsy hisy ho diso anjara ao anatin’izany ny tomponandraikitra rehetra, indrindra hisy fiantraikany amin’ny fampandrosoana ny Faritra. Tena hipaka any ifotony amin’ ny ankapobeny ny tetikasa. Izay no mpitarika hitondra fam­pandrosoana ho an’i Mada­gasikara. Zava-dehibe ny tetikasa. Izay no nampiatoana azy tao anatin’ny fotoana lavalava, nahazoana nanao fifampiaraharahana eo ambany fitarihan’ny filohan’ny Repoblika. Mba tena hisy fiantraikany tokoa ny tetikasa, fa tsy ho toy ny tetikasa lasa ny tombontsoan’ny mpampiasa vola no ao anatiny.

R. Nd.

Partager sur: