FANTINA sy FINTINA

Mitohy hatrany ny hetsika fanadiovana ka anisan’ny nitondra fanatsarana ny zaridaina sy nandoko ny faritra eo amin’ny Rondpoint Ambohidahy, ny sabotsy teo, ny solontena avy eo amin’ny minisiteran’ny Fitsarana. Nitarika izany ny tale kabinetran’ny minisitry ny Fitsarana, Rabearisoa Rochel sy ireo tale isan-tokony.
Nanadio ireo toerana lehibe : tsena, arabe, toeram-pako, manodidina ireo fokontany miisa 24, eo anivon’ny boriborintany II, ny sabotsy teo. Niaraka sy nifanohana tamin’ireo mponina ireo avy amin’ny mpiara-miombon’antoka tamin’izao fanadiovana faobe notanterahina izao. Nentanina koa ny rehetra tsy handoto. Nanadio ny fokontany 24 manontolo.
Miainga eny ifotony ny fampandrosoana, araka ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty. Anisan’ny nametraka samboady ireo ben’ny Tanàna miisa 97 any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana ny tenany, ny sabotsy teo. Nanteriny koa fa tsy misy kaominina ho hadino na iray aza.
Feno 5 taona ny niorenan’ny Iarivo Radio. Nankalazaina ny zoma teo izany ka nanome voninahitra ny lanonana ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala. Nahazo fitaovana vaovao ity Radio ity ho fanamafisana ny asa fanaovan-gazety hampahafantarana ny lalàna, fanabeazana sy fanentanana ary fampandraisana anjara ny mponina.

Partager sur: