Nisy ny baiko hentitra nampetraky ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, sy ireo minisitra misahana ny fandriampahalemana izay nivory nikaton-trano tao amin’ny tobin’ny miaramila Jenia etsy Mangarano Toamasina, ny 5 avrily lasa teo. Vokany, nihamafy ny fisafoana ataon’ny mpitandro filaminana. Tsy tery lalana anefa ireo jiolahy fa nanova paikady indray. Mandritra ny fotoam-pivavahana maraina niditra tamin’ny 5 ora tetsy amin’ny Ekar Fo mason’ i Jesoa Tanambao V, fiara tsy mataho-dalana iray indray no nisy nangalatra teo anoloan’ny fiangonana. Raha hiverenana dia fanindroany izao no nisy fiara very teo anoloan’ny ny fiangonana. Fiara hafa iray indray mbola 4X4 ihany, vaky fitaratra tao an-tokotanin’ny Hopitalibe, ny 11 avrily lasa teo tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany alina. Raha hiverenana dia nitrangana fahaverezana fiara ny 23 marsa, teo anoloan’ny fiangonana Betela Tanambao V. Ny androtr’io ihany, teo anoloan’ny Ekar Ste Joseph katedraly, moto cros iray very izay samy teo anelanelan’ny tamin’ny 5 ora ka hatramin’ny 6 ora sy sasany maraina. Vao ny 10 avrily
teo, moto iray ihany koa nanjavona teo anoloan’ny tranombarotra iray eo amin’ny Araben’ny fahaleovantena. Raha tsorina, lasa mitodika any amin’ny halatra fiara sy moto ireo jiolahy. Ho an’ilay fiara vaky fitaratra tao amin’ny hopitaly, ohatra, dia very avokoa ny badge Ambatovy, carte statistique , carte fiscale, carte RCS , carnet de chèque BOA fitomboka an’ny orinasa Madatek, raha tsy hilaza afa-tsy ireo.
Sajo