Lelavola 6 tapitrisa Ariary niampy finday avo lenta efatra sy firavaka volamena noraofin’ny jiolahy fito lahy tao Toamasina, ny alahady 13 avrily teo. Nandositra ireo mpandroba.
Novakian’ireo olon-dratsy ny fidirana ny trano, tamin’ny 03 ora maraina. Nisalotra lamba mainty ireo mpandroba sady nanafina endrika. Nilanja antsibe rahateo izy ireo. Tsy nisy alaharo, nanambana ny tompon-trano avy hatrany ireo jiolahy. Noterena hamoaka ny vola rehetra, niampy ny fitaovana sarobidy, ilay lasibatra. Natahotra mafy ny ainy, tsy afa-nanda ka nanome ny vola mitetina 6 tapitrisa Ar. Tsy nionona tamin’ io lelavola io anefa ireo tsy valahara. Norobainy avokoa ny finday avo lenta marika Iphone X Samsung, miisa roa sy Motorola ary ordinatera. Nalain’izy ireo koa ny firavaka volamena. Manoloana io tranga io, nametraka fitoriana eny anivon’ny mpitandro filaminana ny lasibatra. Tsy nisy namantarana ireo nanao ny fandrobana ka tsy maintsy nataon’ny voakasika ho fitoriana ho olon-tsy fantatra izany.
Tsiferana R.