Saika handroba volam-piangonana: Vehivavy novonoina, roa lahy voasambotra

Voasambotra ireo jiolahy namono vehivavy iray teny Ambatolampy Tsimahafotsy izay nikasa hangalatra ny volam-piangonana. Novo­noina ny tompon-trano rehefa tsy nahazo ny volabe izy ireo, ny alin’ny 31 marsa hifoha 1 avrily lasa teo.
Hiakatra fitsarana, anio, ilay mpiambina namono ny mpampiasa azy sady nan­droba ny entana sarobidy tao amin’ny fokontany Soavina­rivo, kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy. Tapa-bolana nifampitadiavana, tratra tany Moramanga ny lehilahy iray namono sady nandroba ny mpampiasa azy tao amin’io fokontany voalaza io. Voa­sambotra taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ny sampandraharaha eo anivon’ny foibem-pibaikon’ny zandarimariam-pirenena, nanoloana ny vono olona niseho tao amin’ io fokontany io, ny 1 avrily teo io mpiambina io. Mody niala herinandro mialoha tao amin’ ny toeram-piasany izy. Namo­lavola paikady nentina handrobana ny tranon’ny mpampiasa azy. Nitondra olona iray hafa niaraka nanatanteraka izany, ny alin’ny 31 marsa hifoha ny 1 avrily. “Nohidin’ireo olon-dratsy tao amin’ny efitrano ilay rangahy ary novonoin’izy ireo ny ramatoa vadiny”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ ny tobim-paritra Ambohidra­trimo. Namoy ny ainy tamin’io fotoana io ilay ramatoa tompon-trano.

Iray hafa voasaringotra

Niara-nanatanteraka ny fanafihana miharo vonoan’ olona ilay mpiambina sy ny lehilahy iray hafa. Norobain’izy ireo ny moto sy finday roa tao amin’ny tranon’ny lasibatra. Nisarika ilay mpiasa hanao ny fandrobana ny fahitany ny volabe tao amin’io toeram-piasany io, araka ny fanadihadiana nataon’ny zandary azy. Nikasa handroba ny volam-piangonana izay notanan’ireto mpivady ao an-tranony rahateo koa, io mpiambina io. “Tsy voasokatra ny hidin’ny varavarana nisy ny vola”, hoy ny zandary. Ny finday nampiasain’io mpiambina io no nahafahan’ny mpitandro filaminana nisambotra azy taty aoriana.

Tsiferana R.

Partager sur: