Raikitra indray ny « Concert à l’U », na ny fampisehoana zavakanto eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Hotontosaina ny zoma 18 avrily izao izany, manomboka amin’ny 3 ora, ao amin’ny Craam Ankatso. Hifandimby an-tsehatra amin’io ry Kabôsy Spirity, Mbaoé, MTF, Rolf ary ny Vain’Af. Gadona maroloko, kanefa maneho ny lokon’ny mozika fanome sehatra eny amin’ity toerana ity ireo.
Taona 2025, mandia ny faha-30 taonany ny Zanabaliha. Taona nanomboka namerenana tsikelikely ireo sampana nisy tao aminy. « Mandroso ny asa. Efa nisy ny dingana vita », hoy ny tomponandraikitry ny fifandraisana ivelany, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Nampahafantarina ny fiverenan’ny sampana kabary, soratra, dihy malagasy. Manohy ny asany kosa ny fampianarana valiha sy fomba amam-panao malagasy.
Notanterahina ny 12 avrily lasa teo, tany amin’ ny kaominina Sabotsy Ambohitromby, ny lanonana fitokanana sy fitsofan-drano ny tropy mpanao hiragasy vaovao Rafidison Désiré. Nisy ny ady hiragasy nifanandrinan’ izy ireo tamin’ny tarika Rasoalalao Kavia, izay efa manana ny toerany. Nitarika ny fitsofan-drano Rainimanga na Randrianasolo Jean De Dieu.
Mitohy ny lalan’ireo Malagasy miatrika ny fifaninanana miady hevitra any La Haye. Fifaninanan’ny samy oniversite izy ity, ka miditra amin’ny ampahavalon-dalana ireo solontenan’ny Oniversiten’Antananarivo, izao. Nandresy ny Oniversiten’i Palestine, tamin’ny isa 247 noho ny 233,5, ireto Malagasy mpianatra ireto.