Sekretera nasionalin’ny Arema: «Tokony hohenoina ny feon’ny vahoaka»

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Arema. Nitodika amin’ny rehetra izy ireo manoloana izao raharaham-pirenena izao.

Nambaran’ny sekretera nasionalin’ny Arema, Ratsiraka Annick, fa efa nampianarin’ny ray aman-dreny hifankatia sy hifanasoa ny Malagasy rehetra. “Aoka isika samy hitady ny hanasoavana ny mpiray tanindrazana”, hoy izy. Notsiahiviny fa nisintona ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiny ny Arema noho ny fahitana fa tsy manara-dalàna ny fifidianana filoham-pirenena. Nolavina noho ny antony tsy mazava kosa ny filatsahan-kofidin’ny kandidà depiote, miisa 20 avy amin’ny Arema. “Manohy ny lalany ny antoko ary handray anjara hatrany amin’ny raharaham-pirenena”, hoy ihany izy. Mbola hiverina hanolotra ilay tolo-dalana efa natolony tamin’ny roa taona lasa momba ny fahefana ananan’ny vahoaka ny Arema, araka ny nambarany. “Tokony hohenoina hatrany ny feon’ny vahoaka”, hoy izy. Natsidiny fa mbola mandray soso-kevitra hanatsarana io tolo-dalana io ny antoko.
Momba ny Base Toliary kosa, nohitsiny fa tsy avy amin’izy ireo ny andian’olona mijoro amin’ny anaran’ny Arema milaza fa misakana izany tetikasa izany any amin’ny faritra Atsimo. Tsy nifampierana ny fanambaran’izy ireo, araka ny nambarany hatrany. “Ilaina tokoa ny asa sy ny fampandrosoana saingy ilana fandinihana tanteraka ary tokony henoina ny hevitr’ireo vahoaka eny ifotony”, hoy izy.
Tsiahivina fa namboly hazo miisa 4 000 fototra teny amin’ny kaominina Ampan­ga­be Ambohitrimanjaka ny Are­ma, ny faran’ny herinandro teo. Maherin’ny 1 000 ireo mpikambana tonga nanatanteraka izany adidy ho fiarovana ny tontolo iainana izany.

Synèse R.

Partager sur: