Tafaverina an-tanindrazana omaly, ny Makis, avy niatrika ny «Challenger Series», tany Krakow Pologne, ny 12 sy 13 avrily lasa teo. Teo am-pahatongavana, naneho ny heviny mahakasika ny lalao tany an-toerana i Mboazafy Noé (Coach Razily). «Azo lazaina fa tsara ny vokatra. Afaka noresena avokoa ireo ekipa saingy lesoka ny fikoropahana sy ny tsy fahampiana traikefa miampy ny toetr’andro mangatsiaka be», hoy izy. Marihina fa tsy nitsanga-menatra ny Makis, izay nitana ny laharana fahadimy. Raha hiverenana ny vokatra, fandresena telo sy faharesena roa. Teo amin’ny lalao isam-bondrona, resin’i Canada, 29 no ho 24, ary lavon’i Portugal, 19 no ho 10, ny Makis de Madagascar. Nanomboka teo amin’i Japon vao nahazo fandresena foana i Madagasikara. Lavon’ny Malagasy, 26 no ho 12, ny japoney avy eo nanilika an’i Tonga, 40 no ho 17. Farany, noresen’ny Makis, tamin’ny isa 24 no ho 14, i Chili, teo amin’ny fiadiana ny laharana fahadimy. Notsiahivin-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby, fa ekipa tompondaka ny «Challenger Series», tany Cape Town, Afrique Atsimo, ny volana febroary lasa teo i Chili. Araka ny vaovao azo omaly, hiomana avy hatrany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao atsy Maurice, ny volana jona izao, ireto Makis ireto, aorian’ny fetin’ny Paka.
F.R