Maty noho ny tsindron’antsy natao azy ny teratany sinoa iray, afakomaly. Vola 40 000 Ar no nangalarin’ireo jiolahy nandroba azy. Mpanao aferam-bato ity lasibatra
Mpanatitra vato sarobidy ao amin’ilay teratany sinoa ihany no tompon’atoka tamin’ny famonoana azy, tao amin’ny fokontany Ambondrona, kaominina renivohitra Mahajanga, ny alatsinainy 14 avrily teo. Hiditra ny trano fonenany, nandrasan’ny telo lahy kendry tohina io sinoa mpisehatra amin’ny fivarotana vato sarobidy io. Nanambana antsy avy hatrany ireo olon-dratsy. Nanendaka ny vola teny an-koditr’ilay sinoa. “Tsy nisy afa-tsy 40 000 Ar anefa teny amin’io voaroba io”, araka ny loharanom-baovaon’ny polisy. Nanantena hahazo vato sarobidy teny amin’ilay sinoa ireo telo lahy mpandroba.
Naratra mafy
Niezaka niaro tena nandritra ny tranga io teratany vahiny io. Notrobaran’ireo tsy valahara antsy teo amin’ny kibony. Nitsirara tamin’ny tany ary nipotsaka ny tsinainy. Nifanampy tamin’ny famonjena ilay sinoa voa mafy ny olona akaiky azy. Tsy tana ny ainy vokatry ny fahavoazany. Tsy vitan’io, nikaroka toeran-kafa nokasainy hanoavana ny asa ratsy ireo mpandroba. Niroso tamin’ny fikarohana ny polisim-pirenena miasa ao an-toerana. Nahazo loharanom-baovao marim-pototra nandritra izany ny ekipan’ny polisy. Natao hazalambo ka voasambotra ireo telo lahy nahavanon-doza. Voamarina tamin’ny alalan’ny fanadihadiana lalina, efa mpiara-miasa tamin’ilay sinoa ny iray tamin’ireo tratra. Mifanerasera matetika tamin’io sinoa io izy. Ity farany no nampiakatra lehilahy roa avy any Androy. Niaraka namolavola ny paikady handrobana ilay sinoa izy ireo. Nikasa hahazo harem-be kinanjo izao sarona izao.
Tsiferana R.