Voasambotry ny mpitandro filaminana tao amin’ny trano fonenany ny lehilahy iray nihazona taolam-paty iray gony, tao Ampasimototra, fokontany Mahatsinjo II, kaominina Vohipaho, distrikan’i Vangaindrano, ny 12 avrily teo. Nahatsikaritra fihetsika hafahafa tamin’io lehilahy io ny mponina manodidina. Nampandre avy hatrany ny miaramila miasa ao an-toerana izy ireo. Natao ny fikarohana ilay lehilahy nahiahiana. Nosavaina ny trano fonenany. Vokany, taolam-paty nasitrika tao anaty gony, hita nohazonina tao an-tranony. Nentina avy hatrany eny anivon’ny biraon’ny mpitandro filaminana ao amin’ny zana-tobim-paritra Mahatanga io lehilahy io. Tsy fantatra mazava ny antony nihazonany ireo taolam-paty ireo. Naverina tamin’ny fokonolona ny taolam-balo rehetra. Ahina ho mpanao asa vaky fasana ao anatin’ny kaominina Vohipaho ity tra-tehaka ity.
Tsiferana R.