Fihaonana an-tampon’ny COI : Nampitandrina ireo mikasa hanakorontana ny mpitondra

Mbola nanamafy ny efa nambarany ny herinandro lasa ny mpitondra. Hentitra sy nahitsy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, i Mara Volamiranty Donna.

“Miara-miasa isika rehetra ary manome toky fa handray andraikitra, raha misy olona miezaka sy manana eritreritra hamboly korontana amin’ny fitiavan-tena sy ny kajikajy politika manokana. Mijoro ny fitondram-panjakana ary handray ny andraikiny.” Io ny ha­fatry ny minisitry ny Sera­sera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta, i Mara Volamiranty Donna, tamin’ny RNM, omaly, manoloana ny fiatrehan’i Mada­ga­si­kara ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny COI. Misy mitady hamboly korontana eny anivon’ny fiarahamonina amin’izao, mitarika ny va­hoaka amina vaovao tsy marina. Entaniny ny rehetra mi­sehatra amin’ny serasera mba samy handray ny vaovao marina, voamarina, indrindra voalanjalanja. Amin’ny hiatrehana ny mialoha sy mandritra ary aorian’ny hetsika rehetra amin’ny fihaonana an-tampony izany. Tsy ny fitondram-panjakana ihany no ho saro-piaro fa ny rehetra, hifanome tanana hisian’ny filaminana sy ny fitoniana.
I Madagasikara manontolo no hahazo ny vokatra sy ny tombontsoa amin’ny fihaonana an-tampon’ny COI. Hisy vokatsoa eo amin’ny lafiny toekarena sy sosialy, toy ny fahasalamana sy ny fampianarana, izany. Eo koa ny fiarovana ny tontolo iainana. Tsy hadino fa zava-dehibe koa ny lafiny ko­lontsaina. Tsy ho an’Antanana­rivo irery ny COI, fa ho an’ny faritra rehetra: i Madagasikara manontolo. Ny fanaovana ny fi­haonana an-tampony eto Ma­dagasikara dia midika fa matoky an’i Madagasikara sy ny diplaomasia tarihin’ny filoha Rajoelina Andry ny firenena any ivelany, araka ny nambarany. Manentana ny rehetra izy ny amin’ny fananana soatoavina hoe mahay mandray vahiny ny Malagasy.

R. Nd.

Partager sur: