Rakotomanana Richardson : “Tsy manohitra tetikasa ny fiarahamonina sivily”

“Tsy vondrona mpanao politika hanohitra na hanohana fitondram-panjakana ny fiarahamonina sivily. Fa sady manampy ny vahoaka izy no manampy ny sampandraharaham-panjakana. Izay ihany no tena andraikitry ny fiarahamonina sivily.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Fiombo­nan’ny fiarahamonina sivily ho amin’ny fandrosoan’ny Mala­gasy na Coalition de la société civile pour le progrès des Malagasy (CSCPM), Rakoto­manana Richardson, ny amin’ ny anjara toeran’ny fiarahamonina sivily manoloana ny tetikasa Base Toliara misy manohitra amin’izao. Na inona na inona toerana misy ny fiarahamonina sivily, tsy natao hamoaka fanambarana hanohitra tetikasa fampandrosoana firenena izy ireo. Tsy natao hanao tatitra amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa. Ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana, azy manokana izay; mamaha olam-bahoaka, azy manokana; manao fandriampahalemana…
Ny manao fanabeazana ny vahoaka rehetra kosa no ataon’ ny fiarahamonina sivily. Satria zana-bahoaka ihany no manao dahalo, fakana an-keriny, fanolanana… Tsy ny fitondram-panjakana no maniraka ny olona hanao ratsy eto amin’ ny firenena. “Izay no mahatonga anay hoe: manabe ny vahoaka sy ny olom-pirenena izahay; eny, na ny mpiasam-panjakana sy ny mpi­tondra fanjakana aza sa­my hanao ny andraikiny avokoa”, hoy izy. Tsy ny mpitondra fanjakana ihany no darohana isan’andro amin’ny haino aman-jery. Natao hampita hevitra mahasoa sy marina eto amin’ny firenena rahateo ny haino aman-jery, fa tsy natao fikitra mampiady angely.

R. Nd.

Partager sur: