“Manakorontana firenena ny Irmar ary mila ady. Tsy te hanaiky resy fa te hanao barofo eto amin’ity firenena ity”, hoy ny depioten’ny Firaisankina, i Haja, voafidy ao Mananjary. Nohitsiny fa filana sotasota ny ataon’ny Irmar manoloana ny fanesorana sy fanalana an-daharana ary fanagadrana ireo ben’ny Tanana Mifagnomba, any Mananjary.
Namaly ny antson’ireo filoha teo aloha, Ravalomanana sy Rajaonarimampianina, ho amin’ny fanavotam-pirenena ireo Malagasy milaravinahitra any ivelany. Nambaran’izy ireo fa manohana izany ireo zanaka am-pielezana ireo. “Vokatry ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra izao ka vonona izahay hitondra anjara biriky ho an’ny fanovana”, hoy izy ireo.
Niantso ny mpanohitra ny depiote Rakotomanga Lanto. “Aoka ny lamba maloto hijanona ho eto Madagasikara fa tsy aseho”, hoy izy. Nanteriny fa tokony haneho amin’ny vahiny ny fitiavan-tanindrazana, ny firaisam-po ny Malagasy rehetra. “Tsy ho an’ny mpitondra irery izany fa ho an’ny vahoaka. Mila maneho ny maha antsika isika”, hoy izy.
Miatrika fivoriana iraisam-pirenena momba ny famatsiam-bola maharitra ho an’ny vaksiny, any Istanbul, nanomboka omaly, ny depiote isany, Rakotoarisoa Johnny sy Rajaobelina Lova Herizo. Any an-toerana koa ny solontenan’ny fiarahamonim-pirenena Hina. Tafiditra ao anaty lahadinika ny momba ny fahasalamana sy ny fandrindram-piterahana.