Nankalazaina, omaly, ny Andro maneran-tany ho an’ny zavakanto. Ho an’i Madagasikara manokana, nangingina ny fankalazana. Ny ankamaroan’ny Malagasy aza tsy nahafantatra ny fisian’io andro natokan’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny kolontsaina sy ny fanabeazana (Unesco) ho an’ny kolontsaina io. Tsy nisy ny hetsika nisongadina.
Tranga ahafahana mitaratra fa tsy mbola mahazo ny toerana sahaza azy eo amin’ny fiarahamonina ny zavakanto sy ny mpanakanto raha ho an’i Madagasikara. Mbola ambin-javatra sy ambanin-javatra. Hatramin’izao, anefa, tsy misy tsy miaiky fa manan-talenta ny Malagasy. Ny vahiny milaza fa «… Heno amin’ny feonareo fa mpanakanto avokoa ianareo». Saingy, hatramin’izao, tsy mety mahazo laka izany. Voabahan’ny hovitra ratsin’ny politika, toekarena, fialonana, fifankahalana, fizahozahoana…
Mifamatotra hatrany amin’ny fomba fiainan’ny Malagasy ao anaty fiarahamonina ny fikajiana sy fanomezan-kasina ny zavakanto. Saingy, tsy mety mahazo vahana eto Madagasiraka ny kolontsaina malagasy!
HaRy Razafindrakoto