97 taona omaly ny mpanakanto zokiny indrindra : Tsy afa-miala amin’ny «sérénade» ny anarana Fidimalala

Anisan’ny vanim-potoana tsy azo lalovam-potsiny ny nampiroborobo ny « sérénade » ho an’i Madagasikara. Ny tranga nisy teto Antananarivo no tena nisongadina indrindra niaraka tamina mpihira sy mpitendry gitara toa an’i Fidimalala.

Ho an’ny mpikaroka sy mpandinika ny fivoaran’ny hira malagasy. Rafi­dimalala Robert na i Fi­di­malala no mpanakanto (mpamoron-kira, mpihira, mpitendry zavamaneno, mpandihy…) zokiny indrindra eto Mada­gasikara sy maneran-tany (?). Feno 97 taona katroka omaly ity mpanakanto anisan’ny tsy afa-miala amin’ny tantaran’ny hira malagasy ity. Fantatra fa anisan’ireo nampivelatra sy nampisongadina ilay karazan-kira (karazan-gadona) antsoina hoe « sérénade » teto Madagasikara i Fidima­lala.
Raha faritana tsotra, hira fanao amin’ny alina, eny an-dalambe. Natolotra ho an’olona tokana na ho ana olona maro ny «sérénade». Somary manana gadona manaitra (mihetsika) sy tononkira mambabo fo izay izy. Ho an’ny any ivelany, ny tovolahy tena haneho amina tovovavy ny talentany sy ny fitiavany no manatanteraka ny «séré­na­de». Izany hoe, eo ambany varavarankelin’ny trano onenan’ilay tovovavy no hanaovan’ ilay na ireo mpanakanto ny «sérénade». Ilay tovovavy, mitazana!

Samy manana ny elakela-tranony
Teo anelanelan’ny taona 1940, 1950, tonga hatraty amin’ny taona 1960 no nampivelatra be ny fanaovana «sérénade». Ny zavamaneno gitara no tena nampiasaina. Samy nanana ny toerana sy elakela-tranony izy ireo. Ho an’i Fidimalala sy Barijaona, iny Ankadifotsy sy Ankadita­paka ary Antaninandro iny no nanatanterahany ny «sérénade». Teny Andravoahangy Razilinah. Ny faritr’Imaha­ma­sina sy Ambatonakanga nahitana an-dry Nanahary sy ry Jerôme Randria, sns. Tsy nisy nifangalatra toerana, satria, samy efa mahalala ny tokony hisy azy. Samy nalaza sy nahasarika olona maro rahateo ny tsirairay. Eo amin’ny 7 ora hariva na amin’ny 8 ora alina eo ho eo no hanatanterahin-dry zareo ny « sérénade ». Nahatety sy nizotra any anaty elakela-trano maro izy ireo tamin’izany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: