Hiaka-tsehatra ao amin’ny EPP Itavo, kaominina Belazao, Antsirabe, ny tarika Bira Ti’Art, ny alahadin’ny Paka izao. Hiavaka izany satria hifangaroan’ny seho samihafa eny an-tsehatra. Nambaran’ny eo anivon’ny tarika Bira Ti’Art fa ho hitan’ireo mpijery any an-toerana ny hira sy ny dihy mirindra ary ny fampihomehezana. Manampy izany koa ny “Comedie musical” ary arahin’ny tantara an-tsehatra mitondra ny lohateny hoe “Radoara”. “Tantara mampihomehy nefa koa misy hafatra sy anatra ary fanabeazana ao anatiny”, hoy ny lehiben’ny tarika, Bira Ti’Art, Yanita Parson. Nambarany fa ho hita eny an-tsehatra koa ilay mpilalao tantara amin’ny onjampeo sy an-tsehatra avy aty Antananarivo, i Synèse Ranarison. Hiaraka amin’ireo mpilalao tantara amin’ny radio Kolo FM 88.8 avy ao Antsirabe izy amin’izany.
Hanomboka amin’ny 2 ora ny seho ary haharitra ora telo any ho any. Mikarakara izany kosa ny avy amin’ny Brother Sound, ao anatin’ny fankalazana ny faha-20 taona nijoroany.
Tsiahivina fa miara-miasa sy misokatra amin’ny rehetra ny tarika Bira Ti’Art amin’ny fiakarana an-tsehatra tahaka izao. Efa niara-niasa tamin’ny fiangonana tany Alakamisy Ambano izy ireo ary izao mitohy izao ny fiakarany an-tsehatra.
HaRy Razafindrakoto