Nodimandry omaly tamin’ny 1 ora maraina, teny amin’ny hopitaly HJRA ilay renim-pianakaviana, 30 taona, voadonan’ny fiara tapaka hisatra tetsy Behoririka, afakomaly maraina. Namela kamboty telo mianadahy izy ary vao efa-bolana ny farany izay niara-voadonan’ny fiara taminy. Hitondra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana ny fianakavian’ny maty aorian’ny fandevenana, raha ny fanazavana voaray avy amin’izy ireo. Vola mitentina 300 000 Ariary no hany mba nomen’ny tompon’ny fiara ho an’ny fianakavian’ny maty amin’izao loza izao, raha ny fanazavana hatrany. Raha toa ka tsy mbola nisy nanatona azy ireo kosa ny fianakavian’ilay mpamily nitondra ny fiara izay niavian’ny loza.Mitaky ny hisian’ny fitsarana tsy mitanila mahakasika ny raharaha ireo fianakaviany.
Mino