Futsal vehivavy : Barea 18 hanafika any Maroc

Araka ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny ekipa nasionaly malagasy, sokajy vehivavy, Barea Ladies, fantatra fa miisa 18 ireo Malagasy mpilalao handeha ho any Maroc. Hatao mpilalao fiandry ny efatra amin’izy ireo. Raha tsiahivina dia hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, amin’ny taranja baolina kitra anaty efitrano Futsal any an-toerana, izy ireo, ny 22 hatramin’ny 30 avrily ho avy izao. Nilaza ny mpanazatra ny Barea Ladies, i Manitriniaina Steve Princy, fa efa vonona avokoa ireo mpilalao ary hita taratra koa ireo mpilalao dimy hijoro voalohany. Tsara marihina fa efa nanazatra ireo Malagasy mpilalao, sokajy vehivavy ny Coach Princy, nandritra ny 20 andro. Hisy lalao ara-pirahalahiana hatao amin’ny ekipan’i Sabnam afaka andro vitsy, raha tsy misy ny fiovana. Efa nanomboka afakomaly ny fampivondronana ny ekipam-pirenena ary miisa 31 eo ireo vehivavy nantsoina handalo fifantenana ho an’izay handrafitra ny Barea, sokajy vehivavy. Tsara marihina fa ao amin’ny vondrona “C” no misy an’i Madagasikara. Anatin’izany koa i Sénégal sy i Tanzanie. Ny ekipa senegaley, izay efa nanomana hatry ny ela ary efa nanao lalao andrana tamin’i Maroc, firenena mpampiantrano ny fifanintsanana.

Fitia Randria

Partager sur: