Hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny alahady 20 sy ny alatsinainy 21 avrily izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, taranja rugby lalaovina olona 7, sokajy U18, lahy sy vavy. Handray anjara amin’izany i Madagasikara, Mayotte, La Réunion ary i Maurice.
Ho fantatra amin’ny faran’ny herinandro ho avy izao ny ekipa farany tafita amin’ny ampahefa-dalana amin’ny «Pureplay football league» (PFL). Mandritra ny andro faha-11 no hahalalana izany ka ekipa efatra no hiady io toerana io dia ny Uscafoot, ny Mama FC, ny FC Rouge ary ny US Avenir Ste Anne.
Nanana solontena i Madagasikara teo amin’ ny lafiny fitsarana, nandritra ny fifaninanana «Lite Quest Fiba 3×3», taranja basikety natao tany Mombasa. Anisan’ny voatsonga nitsara lalao Andriamanantsoa Tojonirina Harilala, Malagasy mpitsara iraisam-pirenena, izay tsiahivina fa efa betsaka ny fifaninanana iraisam-pirenena notsarainy. Fifaninanana izay natao tamin’ity herinandro ity.
Mikarakara fampiofanana ho an’ny mpitsara ny eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja basikety. Fiofanana hatao manomboka anio 17 hatramin’ny 22 avrily izao, ka hanasana ireo mazoto, manomboka ny 16 taona no ho miakatra izany fiofanana izany. 50 000 Ariary ny sarany amin’ny fandraisana anjara amin’ity fiofanana ity.