Drafitra PACFC II: Hangarahara ny fitantanana ny fananan-tany

Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy, omaly, ny iraka avy amin’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Nifampiresahana tamin’izany ny momba ny fananan-tany.

Anisan’ny anton-dian’ireto iraky ny Bad misahana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny sosialy ireto ny fanaraha-maso ny tetikasa. Nifantoka tamin’ny fampiharana ny rafitra ara-kajy mirindra ho an’ny fananan-tany na « Système d’information foncière » ny dinika. Nivoitra, tamin’izany, fa anisan’ireo laharam-pahamehana ao anatin’ny drafitra nasionaly momba ny fananan-tany, andiany faharoa, io fomba fiasa io. Manohana izany ny eo anivon’ny Bad. “Tanjona ny hanatsarana sy hanavaozana ny fitantanana ny raharahan’ny fananan-tany mba ho mangarahara, mora hidirana ary mifanaraka amin’ny fivoaran’ny toekarena”, hoy ny minisitra Andriantsitohaina Naina. Nofaritana, tamin’izany, ireo asa hatao ho laharam-pahamehana. Anisan’ iza­ny ny fanavaozana sy famindrana amin’ny endrika niomerika ny asa amin’ny sehatry ny fananan-tany. Eo koa ny fifandraisana amin’ireo birao tokana ho an’ny fandraharahana sy ny BSFI ary ny minisitera foibe. Manampy izany ny fanatsarana ny angon-drakitry ny fananan-tany sy ara-jeografika ary koa ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fitaovan’ny mpisehatra amin’ny tontolon’ny tany.

Fanohanana ny fampandrosoana eny ifotony

Ankoatra izay, noraisin’ny minisitra Andriantsitohaina Naina koa ny kabinetran’ny Bearing Point, misahana an’i Afrika sy ny fampandrosoana iraisam-pirenena, i Jean-Michel Huet. Nanotrona izany ny mpanolotsaina ny varotra ivelany avy any Frantsa. Nambaran’ny minisitra, tamin’izany, ny laharam-pahamehan’ny minisitera eo amin’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Nofaritana ireo hiarahana miasa eo amin’ny lafiny ara-teknika. Anisan’izany ny fametrahana drafitra sy ny momba ireo tetikasa ho fanohanana ny fampandrosoana eny ifotony.

Synèse R.

Partager sur: